Ramiaramila
Mahaleo
5:37Fantatro fa tsy azo atao Meloka aho minia mitia anao Saingy tsy voatana ny fo Hitia anao an-tsokosoko Ireo tanako am-po tsy hilaoka Noferako tsy navelako hivaoka Anefa toa hery tsy hay tohaina Tiako hodradradradraina Fa eo ianao anilako eo Hitako sy reko feo Toa akaiky nefa tsy takatro Tsy ho ahy ianao fa fantatro Fa ny anao ny fo efa mana-tandrify Efa eny an-tratrany eny ianao no mitampify Ny ahy misy tady eny am-bohozonana Midiridiry tsy hay takonana Ny taonantsika koa manelanelana Izaho efa halazo ianao vao voa hamelana Ianao ary elatra enti-hisidina Izaho efa hitsingidina Ny tanantsika dia hifanantona Nefa tsy mihaona akory indreny miantona Samy tia nefa tsy manantena Ny lalantsika tsy hifanena