Notice: file_put_contents(): Write of 634 bytes failed with errno=28 No space left on device in /www/wwwroot/muzbon.net/system/url_helper.php on line 265
Mahaleo - Ny Lasantsika | Скачать MP3 бесплатно
Ny Lasantsika

Ny Lasantsika

Mahaleo

Альбом: Mahaleo En Concert
Длительность: 3:59
Год: 1998
Скачать MP3

Текст песни

Ny lasantsika
Tsy hay hofafana
Tsy mety mangatsiaka
Fa tadidiko mazana
Ireo safosafo
Sy angolangola
Namela afo
Tsy mety tola

Toa tsy tantin'ny saina
Ny mieritreritra fa
Ianao ilay nolalaina
Mitampify an-tratran'olon-kafa
Ny rangodrangotrao,
Tratra hafa no ratrainy
Ireo antsoantsonao
Ny molotrao no tsenainy
Izaho no namafy
Ny hafa no nijinja
Izao indray no niafy
Fa nilaozanao nifindra

Natao lamba tonta aho
Natsipy toa rovi-damba
Zary natontatonta,
Lany tsirony angamba

Tsy ilay nisolo toerana
No ankahalaiko
Fitia tsy azo ferana
Ny fahavaloko hajaiko
Fa ianao kosa
Mbola antenaina
Mbola tsy afa-trosa
'Zaho ve dia hiala maina