Notice: file_put_contents(): Write of 670 bytes failed with errno=28 No space left on device in /www/wwwroot/muzbon.net/system/url_helper.php on line 265
Mahaleo - Somambisamby | Скачать MP3 бесплатно
Somambisamby

Somambisamby

Mahaleo

Длительность: 3:04
Год: 2005
Скачать MP3

Текст песни

Somambisamby re ry lahy e, toy ny andro diavolana
Ka ontsaontsa ny fanahy, fa maro ny olana
Manembona ny any aminay, tanàna tsy foina
Mahatsiaro ireo havanay, tsy hay hadinoina, mba jerijereo

Mba jerijereo ny tananàntsika,
Aza avela hangina, aza avela hangatsiaka
Fa mbola ho tonga indray androany,
Hitondra ny soa, hitondra ny mamy
Hirongo tantely, hirongo vilany

Toa mateti-piavy kanefa ilay ora-panala
Ka lasa ny saina miantefa hamangy ny malala
Toa lavitra anefa ny any, toa saro-banjinina
Ny sento no hampitaina any, veloma masìna ô

Veloma masìna, veloma ry tiana
Fafao ny alahelo, fafao ny akiviana
Fa mbola ho tonga indray androany
Hitondra ny soa, hitondra ny mamy
Hirongo tantely, hirongo vinany

Na dia maro aza ny zava-midona, aza atao mampifezaka
Aza kivy na very finoana, mandehana manezaka
Fa ao anatin' ny ngidy ny mamy, ka saro-takarina
Misy ny ambony sy ambany, izay no marina fa ny ady tsy vita

Ny ady tsy vita fa mbola hitohy
Tsy mety tafita, raha mamohifohy
Ka raiso ny ampinga, raiso ny hery
Handresy ireo kinga, tsy maneritery
Handrava fanànana, hamokatra fery