Notice: file_put_contents(): Write of 607 bytes failed with errno=28 No space left on device in /www/wwwroot/muzbon.net/system/url_helper.php on line 265
Bolo - Ravitoto | Скачать MP3 бесплатно
Ravitoto

Ravitoto

Bolo

Альбом: Ravitoto
Длительность: 5:08
Год: 2023
Скачать MP3

Текст песни

Lyrics RcVITOTO
Verse 01
Indray hariva nifoka sigara aho teo an-tokontany
Nanontany tena : mba ho lasa inona aho indray androany ?
Nidobodoka henoko tsara ny tany am-poko tany
Hoe inona no tena ilà(va)na ahy eto an-tany
Inona no tian'i dada, inona no tian'i mama ?
Inona ilay asa mahavelona tsara sy mendrika hikaramana ?
Inona no tian-dramose, inona no tian'i madama
ciza no hiafaran'ny lesona averina any am-pianarana any ?
Hanao izay hahafaky an'iry, mba tsy ho afa-baraka amin'ny atsy
Izay no nibaiko ny safidiko mazàna na ho tsara na ho ratsy
Dia mila mibosy an'ity, fa sao tsy tafa hono mantsy
Dia ilay nofinofy matahotra ho faty satria efa nambanako ny antsy
Dia nataoko ary izay tian'ny olona na tsy sitrapoko aza
Miandry doka amin'ny fiaraha-monina hoe hendry kosa ilay zaza
(Non non) Dia nataoko ary izay tian'ny olona
Na tsy sitrapoko aza
Refrain :
Te ho lakana ity hazo
Mba tondray izaho fa malazo
Kanefa tsy ho lakana aby ny hazo
(Ho) Ravitoto (ny) mangahazo
Verse 02
‘Ndehana leity manao dokotera a ! Kelikely ny tokin'aina
Poins koa manao pilote. Te hanidina ihany aho fa any an-tsaina
Politika hitantana firenena ? cleoko mijanona ho ambakaina.
Niafarany sociologue. Tiako ihany fa nampiferinaina
Niteny aho fa tsy nisy nihaino hoe : izaho mba te ho ... Inona a ?
Rehefa nisy nihaino indray dia tsy nisy nino hoe : izany mba hahazo ohatrinona a ?
Raha natokisana hatramin'ny voalohany aho tsy nampatahotra ahy ny any aoriana
Tsy voabaikona zavatra fohana aho fa ny nofinofiko aza hampanginina
Lasitra tonta efa hatramin'izay no amadibadihany ny ho avinao
Hatramin'izay izay no efa mofo gasy, mbola mofo gasy ihany hatramin'izao
Izaho tsy miteny hoe io mofo ratsy fa mba te hihinan-javatra vaovao
Tsy hanatanteraka nofy ratsy fa hanao mozika aho izao dia izao
Dia hatao ve izay tian'ny olona, na tsy sitrapoko aza
Himonimonina ny fiaraha-monina hoe mafy loha izany raha zaza
(Non non) Dia hatao ve izay tian'ny olona
Na tsy sitrapoko aza
Verse 03
Novelomiko ny ordi, nataotaoko ary ny instà
Nampiakariko ny inspi f'efa ohatra ny adala manenjika ahy
Impiry aho no bedin'i dada sy neny hoe ny lesonay mba hianaro kely
cleoko nandrafitra fehezatany hitoeran'ny fanahy malahelo
Dia nadoboko mba hampitresaka izay sakana rehetra mipetraka
Nasiako dia io fa niteraka asa soratra bobaka, betsaka
Nahazoaka daka, felaka. Niandry an'i Pôly aho raha niandry mpitehaka
cza gadrainao amin'ny rindrina efatra aho fa omeo elatra, hivelatra.
Refrain :
Te ho lakana ity hazo
Mba tondray izaho fa malazo
Kanefa tsy ho lakana aby ny hazo
(Ho) Ravitoto (ny) mangahazo