Notice: file_put_contents(): Write of 636 bytes failed with errno=28 No space left on device in /www/wwwroot/muzbon.net/system/url_helper.php on line 265
Hantatiana - Fandalovana | Скачать MP3 бесплатно
Fandalovana

Fandalovana

Hantatiana

Альбом: Best Of Hantatiana
Длительность: 4:45
Год: 2021
Скачать MP3

Текст песни

Fotoana maro izao 
No nandrenesanao ny hirako
Nifamaofao, ireo karazam-pihetseham-po
Tao ny hafaliana, tao ny alahelo koa
Tao ireo resa-maro be nokendrena hankararirary fo

Ny fampaherezana, fanenjehana ihany koa
Taratasy maro be isan’andro maneho firaisam-po

Na tsy arako aza moa, ny mamaly azy ireo
Dia tsarovy tsara fa tena akaikin’ny foko ianareo
Tsy ho adinoko ihany koa, ny fiaraha-manadram-peo
Izay manafaka ny tahotro rehefa hanatrika anareo

Ireny rehetra irenx anie Ha Ha 
Isaorako ny lanitra
Voninahitra anie Ha Ha
Ho an’Andriamanitra

Ho avy ny andro iray, ho lefy eo ambavanao ny anarako
Fahatsiarovana no sisa avelan’ny tantarako
Fa izao no adinonao izao rehetra izao handao
Ho voafafa ny fotoana fa kosa ny hira tsy ho foana
Fa satria ny hirako dia mitory teny soa
Nampirisika anareo hankalaza ny anaran’ny tsitoha

Tsy ho adinoko ianareo, n’aiza n’aiza misy ahy
Tehaka nataonareo ihany koa no nanafa-kenatra ahy
Tsy ho adinoko ihany koa, ny fiaraha-manandram-peo
Izay manafaka ny tahotro rehefa hanatrika anareo


Ireny rehetra irenx anie Ha Ha 
Isaorako ny lanitra
Voninahitra anie Ha Ha
Ho an’Andriamanitra