Hay Ve
Rija Ramanantoanina
3:30Fiainana kely tsy mirehareha Fiainana kely tsotsotra izay ny ahy Tsy trano manjelatra, tsy tafom-bazaha Fa tafo mololo izay ihany aloha ny ao Fa raha ny fitiavanao no mankao Raha ianao iriko no miantrano ao Hanjary lapa ilay bongo kely Na mpanjaka aza hangetaheta ny ho ao Ho tondraka ronono, hitobaka tantely Fa tojo ilay niriako aho, sady tojo anjely Fiainana kely tsy mirehareha Fiainana kely tsotsotra izay ny ahy Tsy trano manjelatra, tsy tafom-bazaha Fa tafo mololo izay ihany aloha ny ao Fa raha ny fitiavanao no mankao Raha ianao iriko no miantrano ao Hanjary lapa ilay bongo kely Na mpanjaka aza hangetaheta ny ho ao Ho tondraka ronono, hitobaka tantely Fa tojo ilay niriako aho, sady tojo anjely Ny fitiavanao hamoronako hira Hokaloiko ho anao na maraina na hariva Hindramiko koa ireo hira fanaoko Hitety tontolo hidradradradrako Fa tiako ianao Tena tiako ianao Ny fitiavanao hamoronako hira Hokaloiko ho anao na maraina na hariva Hindramiko koa ireo hira fanaoko Hitety tontolo hidradradradrako Fa tiako ianao Tena tiako ianao