Fitia Zisitoara
Samoela
6:08Iny indray i Martine Iny indray i Kala-adala Zanaka mpiandry izy iny Monina ao Andravoahangy Tsy avelan'i Bôfy sy Bainina hono izy Fa ny zanany tsy hidiran'angano Nefa mahalala menatra sy oainina hono izy Raha giazana sy hidina aman-trano Raha mba te-hahalala zavatra, Vidiana TV Raha mba te-haheno zavatra Vidiana radio Raha mba te-hahakobo zavatra Vidiana gazety Nefa mbola tsy mety Fa amin'izany intsony hoy aho ny fialamboly Efa tsy lamaody intsony koa ny saribakoly Mba mila olombelona izy miara-matory Mila kôfiboay hanalany ny fony Tiany handramana daholo, ny mifoka rongony Tiany handramana daholo, fa izy mbola tanora Tiany handramana daholo, izay raran'ny didy folo Tiany handramana daholo, ny zava-drehetra Tiany handramana daholo, aza asianao fetra Tiany handramana daholo, sy akana fy Izay rehetra azo ankafihizina amin'ty tany 'ty Ao antranonao ao, na kafe aza tsy hohanina Ao antranonao ao, na sakay aza tsy andramana Ao antranonao ao, tsy azo ifohana sigara Ao antranonao ao, ny rehetra dia voarara Fa indray andro any Mbola ho tezitra hono izy Fa indray andro any Mbola hamaly hono izy Raha tsy avelanao hivoaka hono izy: Hampiditra kôfa Hofenoiny rongony koa ny vary sy laoka Te-ho tapa-kofehy anie izy Te-mba hadehandeha Na tsy ho isan'andro anie Fa ho indray mandeha